Ekar Md Laurent Alasora

Ekar Md Laurent Alasora

Fetin'ny Taranaka sy famaranana ny fankalazana ny faha 140 taona

Fisaorana

 

Nifarana ny alahady 24 novambra 2013 ny taom-pankalazana ny faha 140 taonan'ny Fiangonan-tsika. Ny Monsenera SE Vikera Jeneraly Rabenatoandro Ludovic no nitarika ny sorona masina, notronin'ny RP Curé Rafidiarisoa Aubin ary ireo pretra sy relijiozy maro miara miasa amin'ny Ekar Md Laurent Alasora.

Ny fitsofan-drano ny tsagam-baton'ny fankalazana (Tribune) moa no nanombohana ny fotoana ary narahin'ny fitsofan-drano ny taranaka rehetra tonga tety an-tanindrazana.

Vory lanona ihany koa araka izany ny taranaka ary tsy homby ny Fiangonana na dia teo aza ny fanitarana vao avy natao.

Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo teo amin'ny tokontanin'ny sekoly moa izany ary narahin'ny "sora-dia mirindra nataon'ny TAFIKA".

Nalai-nisaraka ny rehetra fa ny tso-drano avy any an-danitra no namarana ny fotoana.

 

Misaotra sy mankasitraka ny Pretra tompon'andraikitra, ny mpandraharaha ao amin'ny Fiangonana ary ireo Filan-kevitra, ny herivelon'ny fiangonana (fikambanana sy vaomiera) ary indrindra ny Kristianina ka nahatontonsa antsakany sy andavany iny fankalazana iny.

 

« Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra irery ihany anie ny asan-tsika rehetra » Kol 3-17 »



04/01/2014

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 4 autres membres