Ekar Md Laurent Alasora

Ekar Md Laurent Alasora

Tantaran'ny Fiangonana Md Laurent Alasora

Tamin'ny 21 aprily 1872, araka ny voarakitra dia ny zanak'Andriana Andriamety Sy Ramarosambaina no laika, niantso ny Fiangonana Katolika mba hanao lamesa voalohany tety Alasora.

 

Tamin'ny 20 mey 1872 dia nanome alalana ny fanorenana ny fiangonana ary ny tranon-dry mompera sy ny sekoly ny Praiminisitra tamin'izany fotoana izany (Rainilaiarivony) ka tao Ilalina, tao amin'ilay toerana antsoina hoe Ambatomanakavana no nanorenana azy sy ny sekoly. Mbola trano hosy feta sy tafo bozaka no nanorenana io Fiangonana sy sekoly io.

 

Ny sora-piraketan'ny Diosezy (n°69) dia nanambara fa nekena ny fisokafan'ny Eglisy Katolika tety Alasora ny taona 1873.

 

Ny 1872-1873 dia nankinina tamin'ny Distrikan'Ambohimalaza ny Fiangonana tety Alasora.

Rehefa nitombo ny vahoakan'Andriamanitra dia nanapa-kevitra ny mpitantana tamin'izany fotoana izany fa hitady sy hividy tany lehibe hanorenana Fiangonana, ka izany Rainiarinosy sy Razafimbahoaka izany no nivarotra tany tamin'ny toerana antsoina hoe Soamanerina izay antsoina ankehitriny hoe Ambohinierenana. Naorina ny Fiangonana sy ny sekoly (1877) ka ny tranon-dry mompera sy ny atelier scolaire dia naorina teo amin'ny toerana misy ny dispensaire ankehitriny io ary dia lasa tranon'ny mpampianatra taty aoriana. Nisy ny fanorenana tranon-dry mompera vaovao ka teo amin'ny misy ny Lagrôtin'i Masina Maria ankehitriny io no nanorenana azy saingy voatery noravana ihany koa izany noho izy nopaohan'ny rivo-doza.

 

Tamin'ny 08 aogositra 1877 dia natokana hitondra ny anaran'ny olomasina Md Laurent ho mpiaro azy ny Fiangonana.

 

Ny 1874 ka hatramin'ny 1955 kosa dia ny Distrikan'ny Tanjombato no nitantana ny Fiangonana Katolika Alasora.

 

Ny 1956 ka hatramin'ny 1975 dia nankinina tamin'ny Distrikan'Ambohijanaka indray ny Fiangonana Katolika Alasora.

 

Ny 12 septambra 1971 dia napetraky ny Kardinaly Jerôme Rakotomalala ny vaofehizoro nanorenana ny Fiangonana tranovato izay hitan-tsika ankehitriny.

 

Ny 11 aogositra 1974 no nankalazana ny faha 100 taonan'ny Fiangonana sy ny nitokanana ny Fiangonana tranovato vaovao ankehitriny teo ambany fiahian'ny Kardinaly Jerôme Rakotomalala sy ny Filoham-panjakana Jeneraly Gabriel Ramanantsoa.

 

Ny 1976 dia nankinina tamin'ny Vondrona Antsinanana na Vondrona Andohalo ny Fiangonana Katolika Alasora ary nanaraka ny satan'ny Fiangonana an-drenivohitra.

 

Ny 1995 dia nanova rafitra ny Diosezin'Antananarivo ka lasa Distrika i Alasora, ary ao anatin"ny Vikarian'Antananarivo manodidina, izay nahitana zanam-piangonana efatra : Tanjonandriana, Ambohimarina, Samboranto ary Anganomasina.



16/10/2012

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 4 autres membres